Tsy be resaka ny fitondram-panjakana mahakasika ny asa fametrahana ny kara-pokontany manaraka ny toe-trandro
Notanterahina androany alatsinainy teny amin’ny tranon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny ny fivoriana savaranon’ando hametrahana lamina mahakasina ny fanamboarana kara-pokotany ampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Tsy nahita-teny firy mahakasika ny vontoatin’ny fivoriana ny mpikatroka, izay nahitana mpikambana eo anivon’ny governemanta, ny teo anivon’ny Faritra sy ny Kaominin’Antananarivo renivohitra ary ny lehiben’ny fokontany. Andrasana noho izany ny atrikasa ny alakamisy ho avy izao izay nambaran’ny FIloha Andry Rajoelina ny alahady teo hirosona bebe kokoa amin’izany fanamboarana kara-pokotany manaraka ny toe-trandro hanatsarana fomba fiasa eto amin’ny fiaraha-monina.













