Samy mandeha samy mitady. Samy manao izay tiany ireo koperativam-pitanterana eto an-drenivohitra mahakasina ny fitazonana na fampiakarana ny saram-pitanterana.
Sahiran-tsaina ireo mpandeha satria toa miovaova hatrany ny saram-pitanterana takian’ireo mpitatitra androany alatsinainy. Misy ireo nitazona ny saran-dalana ho 400 ariary. Nisy koa anefa ny zotra nanatanteraka ny fampahafantarana mialoha hampiakatra izany saran-dàlana ho 500 ariary.
Hatreto aloha dia mbola maro ireo izay tsy nampiakatra ny saran-dàlana. Nanaisotra ireo takelaka nampahafantatra ny fiakarana ny saran-dàlana manomboka ny voalohan’ny volana septambra izy ireo. Nisy kosa anefa namerina izany fahampafantarana izany saingy tsy niroso tamin’ny fanovàna ny saran-dàlana.
Ny Fikambanan’ny koperativam-pitanterana eto an-drenivohitra (UCTU) dia niaiky fa nisy io eritreritra fampiakarana io. Nitsotra kosa anefa ny mpitarika iray ao anatin’io fikambanana io ny fihemorana teo amin’ny fanatanterahana izany fanapahan-kevitra izany. Nilaza ity farany fa mbola misy ireo koperativa manatena hatrany ny fandoavana ny fanonerana ny vidin-tsolika na « compensation » amin’ny fanjakana.
Tsy nitsipaka koa UCTU fa nisy ireo tsy voatana ka naka fanampahan-kevitra hafa noho izay noraisin’ny fikambanan’ny mpitatitra. « Tahaka ny tsy ahafehezan’ny fanjakana ny vidin’ny solika izay miakatra hatrany no tsy ahafehezana ny tompon’ny fiara tsy hampakatra ny sarandalana », hoy ity mpikambana eo anivon’ny biraon’ny UCTU ity. Raha ny tsilian-tsofina dia mbola hivory izy ireo ato ho ato handinihina izay fanapahan-kevitra matotra iraisana.
Ankoatry ny fanonerana ny vidin-tsolika moa dia misy ifandraisany amin’ny fiakarana na tsia ny vidin-tsolika ny saram-pitanterana. Nanamafy Lantoniaina Rasoloelison, minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo, fa tsy nisy fampiaraka vidin-tsolika tamin’ity fiandoan’ny volana ity satria «ny governemanta dia mijery ny fahasiranan’ny mpitatitra sy ny mpanjifa (…) fa tsy hoe ampiakarina fe ampiakarina foana ny vidin-tsolika isam-bolana ».
Souscrivez aux alertes et soyez notifiés automatiquement.