Mpandeha 12 namita iraka ho an’i Air Madagascar tany ivelany ireo mpandeha voalaza fa nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly alarobia, niaraka tamin’ny sidin’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar. Efa mampilaza ny avy ao amin’ny minisitera misahana ny fitaterana fa mbola hisy mpandeha hafa hiditra eto Madagasikara satria misy ireo mpanao fanatanjahan-tena miaro ny voninahitr’i Madagasikara amin’ny fifaninana iraisam-pirenena any ivelany.














