Antananarivo 31 martsa
Nanomboka anio teny amin’ny Jumbo score akorondrano sy teny amin’ny CCI ivato ny fitiliana faobe hoan’ireo mpandeha rehetra tonga avy any ivelany nanomboka ny 11 martsa lasa teo. “Test de diagnostic Rapide” ity fitiliana ity ary vantana vao hita fa tsy mitondra ny tsimok’aretina ireo olona ireo dia omena avy hatrany ny taratasy manamarina ny fiafaran’ny fitokanamon’izy ireo. Ny tanjona hotratrarina androany dia fitiliana miisa 1200.













