Herinandro latsaka, mialoha ny fiantombohan’ny fampihelezan-kevitra ny amin’ny Fitsapan-kevibahoaka, ny 27 may, dia nanambara ny talen’ny fampiofanana ara-pifidianana sy ny serasera eo anivon’ny Komity mpikarakara ny fifidianana (CENI), ny 24 aprily teny Nanisana, fa anjaran’ny governemanta ny mametraka ny tetibola rehetra ikarakarana ny fifidianana fa ny an’ny CENI kosa dia ny fikarakarana ara-teknika sy ny ara-materialy ihany. Tsy nahitana ny solotenan’ireo izay mampanao eny, na ireo izay mitsipaka ny fanovana ny Lalampanorenana kosa teny an-toerana nandritra ny fanaovana ny hatsapaka mahakasika ny filaharana eo amin’ny fandefasana horonam-peo amin’ny haino aman-jerim-pirenena.