Nanao hetsika fanairana sy fanehoana firaisan-kina amin’ireo namany voatazona eny anivon’ny mpitandro ny filaminana ny mpitsabo sasany eo anivon’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona androany zoma. Voalaza fa nohenoina sy nanaovana famotorana izy ireo taorian’ny tsy nahitana ny voafonja izay notsaboin’izy ireo tao amin’ny efitrano tokony ho nisy azy. Eddy Maminirina, mpandraharaha voaheloka hisazy dimy taona an-tranomaizina noho ny raharaha fanondranana andramena ity voafonja nahabe resaka ity.














