Foara ekonomika SAVA :
Efa tamin’ny taona 1968 no nisy ny foara ekonomika farany raha tao amin’ny faritra Sava (Sambava, Antalaha, Vohémar, Andapa). Faritra izay isan’ny manankarena raha ny voly fanondrana sy ny harena voajanahary. Nambaran’ny minisitry ny Indostria, ny varotra ary ny asa-tanana, nandritry ny lanonana fanokafana ny alakamisy 24 oktobra tao Sambava, fa efa mivoatra manaraka ny toetr’andro ireo fitaovana ampiasaina amin’ny fambolena ka mivoatra manaraka izany ihany koa ny famokarana.
Raha ny sehatra lavanila manokana dia voalaza fa nihena ho 50% ny tahan’ny halatra tamin’ity taona 2019 ity raha oharina tamin’ny taona lasa.