LAVANILA – Hasongadina mandritrin’ny Foaran’ny SAVA, ny 24 ka hatramin’ny 27 oktobra, ny sehatra fihariana “lavanila”. Nohazavain’i Jean-Phillipe Zanavelo, mpikarakara ny hetsika avy amin’ny Business Development Advisor Fairtrade Africa, ny 20 septambra teny Ambatonakanga, fa haseho mandritry ny efatra andro ny fomba fikarakarana ny vokatra, hahafahana mahazo ny hanitra mampiavaka ny lavinala avy any SAVA ; vokatra izay tena tadiavin’ny mpanjifa eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.













