Resa-be foana isan-taona hoe ahoana no fomba ifampiarahabana rehefa tonga ny taom-baovao. Iza no nanenjika ary iza no nahatratra, ny olombelona sa ny taona ? Eo am-piandrasana ny fety, hianatra sahady ny fomba firarian-tsoa isika. Mitondra fanazavana Ramatoa Oliva Ramavonirina avy ao amin’ny Foibe momba ny teny ao amin’ny Akademia Malagasy.














