Raha tonga hanatitra fisaorana ianao dia tsara raha manantitrantitra izany fankasitrahana izany amin’ireo tena mendrika azy… Mety ve izany fehezanteny izany? Manazava ny mahasamy hafa ny manatitra sy manantitra ny Dr Sylvie Rakotoalison, mpahaiteny sy mpampianatra mpikaroka ao amin’ny zana-tsehatra Malagasy ao amin’ny Fakiolten’ny teny aman-tsoratra ary siansa maha-olona.














