Taorian’ny didy navoakan’ny Fitsarana avo momban’ny lalàmpanorenana (HCC) ny amin’ny fikasan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina hanitsy ny lalampanorenana, dia naneho hevitra mikasika izany ny firaisamonim-pirenena Hetsika Rohy. Nidera izany fanapaha-kevitry ny HCC izany ny mpiandraikitra ny tanora ao amin’ny Rohy, Erico Randriarimalala, ny 26 aprily teny Antaninarenina. Nambarany koa ny tokony hijoroan’ny komity mpikarakara ny fifidianana (CENI) hatrany ao anatin’ny mangarahara.













