Anisan’ireo tanjona efatra goavana napetraky ny ministeran’ny Indostria, ny varotra ary ny asa tànana, ny fametrahana indostria iray isam-paritra amin’ity taona ity. Ao anatin’ny vina ny fampananana asa mendrika ny malagasy.
Tsy azo iodivirana noho izany ny fametrahana ny antsoina hoe « Zone d’émergence industrielle » na ny ZEI. Atao anaty faritra voatokana izy ireny mba hampivondronana ireo indostria hapetraka.













