FIZAHANTANY – Ny 18 ka hatramin’ny 21 jona 2020 no hotanterahina ny « International tourism fair Madagascar (ITM) » andiany faha 9. Nambaran’ny minisitry ny fitaterana, fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro, Joël Randriamandranto fa fotoana hahafahana mampiroborobo ny fizahantany eto amintsika io hetsika io. Maro ireo firenena miara-miasa amin’i Madagasikara eo amin’io seha-pihariana io fa entina indrindra ny ITM 2020 mba hampitomboana hatrany izany fiaraha-miasa izany.













