KAOMINALY – NOLAVIN’NY FITSARANA AVOKOA NY FITORIAN’NY TIM

KAOMINALY – Notontosaina anio 08 janoary 2020 teny amin’ny « Tribunal Administratif » Anosy ny fitsarana ireo taratasin’ady mikasika ny fifanolanana ara-pifidianana ho an’ny Antananarivo Renivohitra. Nivoaka ny didim-pitsarana ka nolavina avokoa ny fitoriana napetraky ny antoko Tiako i Madagasikara sy ny kandidà natolony, dia i Tahiry Ny Rina Randriamasinoro.