Nanaiky ny hampiatra ny karama farany ambany 200 000 ariary ny solontenan’ny mpampiasa rahefa nihaona tamin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny 30 aprily teny Ambotsirohitra. Nanambara ny filohan’ny Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (GEM), Noro Andriamamonjiarison, fa ny fampiakarana ny sokajin-karama ambonin’ny 200 000 ariary kosa dia hifampiresahan’ny mpampiasa sy ny sendika eo anivon’ny orinasa tsirairay avy.