LISI-PIFIDIANANA : METY HAMAHA OLANA NY FIVADIANA ANY AMIN’NY « LISITRA BIOMETRIKA »

LISI-PIFIDIANANA – Nandritra ireo fifidianana telo notanterahana teto Madagasikara teo anelanelan’ny taona 2017 sy 2019 dia ambany hatrany ny taha-pavitrihan’ny mpifidy. Ny tsy fatatomombanan’ny lisi-pifidianana no anisan’ny antony nahatonga izany, raha araka ny fanazavan’ny Filohan’ny CENI, Hery Rakotomanana, omaly 28 janoary.