Mbola mipetraka foana raha ny eo amin’ny fiaraha-monina malagasy ny fanilihana ireny olona manana fahasembanana ireny. Anisan’ireo tanora miezaka manova ny fijerin’ny manodidina azy i Sitrakiniana Alban amin’ny alalan’ny fanaovany fanatanjahan-tena. Efa nandrombaka amboara maro ny tenany nohon’ny fikirizany. Mametraka foana izy ny amin’ny mampitovy azy amin’ny olon-drehetra ary manao izay mampiavaka azy mihitsy aza.













