Antananarivo 02 aprily – 8 sora 30
Herinandro mahery taorian’ny fiantombohan’ny fihibohana teto Antananarivo, mitaraina nohon’ny tsy fisian’ny mpanjifa ireo mpivarotra, toa an’i Nambinina Razanadrazaka, mpivarotra legioma eny Analakely manodidina ny « Pavillon ». Nilaza izy fa nahena amin’ny antsasany ny sakafo ao an-tokatrano noho ny tsy fisian’ny tsena.













