ANTANANARIVO, 23 Mars 2020, 20h05 – Nanambara ny filoha Andry Rajoelina fa misy olona 5 vaovao indray no mitondra ny valan’aretina Coronavirus, rehefa nivaly ny fitiliana nataon’ny Institut Pasteur de Madagascar. Izany hoe miisa 17 hatreto ny voan’izany tsimok’aretina izany eto amin’ny Nosy. Nanamafy hatrany ny filoham-pirenena fa tsy mbola misy ny maty ary tanatin’ny fiara-manidina iray ihany ireo olona mitondrany tsimok’aretina.
_____________________________________________
Antananarivo 23 mars – 20h05
« 5 personnes de plus sont testées positives au Coronavirus » annonce le président de la République Andry Rajoelina dans son intervention sur la Radio Nationale Malagasy.
Madagascar compte donc actuellement 17 cas confirmés de Covid-19. Aucun décès n’est encore à déplorer signale le Président de la République. Le chef de l’Etat privilégie une hypothèse de transmission du virus via le vol reliant Paris et Antananarivo le 19 mars AF 934.













