? CORONAVIRUS :
Olona sivy no tratran’ny tsimokaretina
Ferana ny fivoahana ny trano eto Antananarivo sy Analamanga ary Toamasina
Antananarivo, 23 mars 2020, 00.20 – Kabarin’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, taorian’ny fanambarana fahamehana noho ny antony ara-pahasalamana
Olona sivy, ankoatra ireo telo efa nolazaina tamin’ny zoma lasa teo, no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara. Tsy misy matin’io aretina io hatreto.
Ireo fepetra vaovao lehibe nambaran’ny filohan’ny Repoblika, hifehezana ny fihanaky ny aretina :
– Tsy mahazo mivoaka ny trano ny mponina eto Antananarivo, ao amin’ny faritra Analamanga sy any Toamasina,
– Mihatra ny tsy fahazoana mivezivezy manomboka amin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 5 ora maraina,
– Mijanona tanteraka ny fitateram-bahoaka rehetra, na an-drenivohitra na any amin’ny faritra, saingy afaka mandeha ny fitaterana entana mankany amin’ny faritra sy distrika,
– Asiana fanakanan-dalana ho fanaraha-maso ny fahasalamana ivelan’Antananarivo sy manerana ny Nosy,
– Mikatona avokoa ny biraom-panjakana ankoatra ny tobim-pahasalamana sy ny toerana fandraisana marary,
– Ny tranombarotra sy ny toeram-pivarotana entana andavanandro ihany no mahazo misokatra amin’ny 6 ora ka hatramin’ny 12 ora antoandro, ka olona iray isaky ny tokandrano no afaka miantsena,
– Mahazo misokatra ihany koa ny toeram-pivarotam-panafody, ny toeram-pamatsiana solika ary ny banky,
– Miasa ihany koa ny Jirama, ny mpanadio tanàna ary ny gazety,
– Ny tompon’ny orinasa no mandrindra sy mamaritra ny fandaminana eo anivon’ny orinasa tsy miankina tsirairay,
– Misokatra ny tsena mora ahafahana mamatsy ireo sahirana,
– Hisy ny fepetra horaisina hifehezana ny vidin’entana.













