Antananarivo 15 aprily, 13h – Ireo mpandeha tonga tany Mahajanga nanomboka ny 7 aprily lasa teo, dia tokony hanantona ny fokotany na ny Centre de Santé de Base na CSB akaiky azy raha ny nambaran’ny filoha ny Centre de Commandement Opérationnel Boeny. Natao izany mba hanarahana ny fahasalaman’izy ireo hiarovana amin’ny fiparitahan’ny aretina Coronavirus.













