?SOSIALY : Niary hina ireo orinasa tsy miankina hanampy ny polisim-pirenena.

Antananarivo 10 aprily 2020 – 17h30

Tampim-bava miisa 2200, vary iray taonina, ary atody 7000, no nomen’ireo orinasa tsy miankina ny Polisim-pirenena. Ireo no tolo-tanana natolotry ny FILATEX, COMDATA, orinasa AKANJO, ary ny AGRIFARM, ho fanampiana ireo polisy miasa andro aman’alina ho fiarovana ny vahoaka amin’ny valan’aretina Covid-19 ankoatra ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana izay efa sahanina isan’andro.