Habibo Group : Fifanomezan-tanana manoloana ny Coronavirus
Mandritra izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao dia tsy mitazam-potsiny ny vondrona orinasa Habibo. Nanolotra vokatra 3200 baoritra iray kamiao misy paty, ronono, ronono mandry sy biscuits ary vokatra hafa entina hanampiana an’ireo olona tsy manan-kialofana sy raisin’ny CUA an-tanana ny vondrona orinasa Habibo omaly 30 martsa. Izany dia natao mba hitsonjovana an’ireo mpiara-belona izay ten sahirana amin’ny fiatrehana ny valan’aretina Coronavirus (COVID-19).
Ny vondrona orinasa Habibo dia manampy hatrany ireo olona izay sahirana ary mamaly ny antso avo nataon’ny Filoham-pirenena ny amin’ny tokony hifanomezan-tanana amin’izao vanim-potoana sarotra lalovan’ny firenena izao.
Ny fiarahantsika mientana no ahafahantsika mandresy ny Coronavirus.
—
Habibo Group : solidarité face au Coronavirus
Habibo Group ne reste pas bras croisé et a fait hier, 30 mars, un don d’un camion rempli de 3200 cartons de pâtes alimentaires, du lait en brique, du lait concentré, des biscuits et des denrées alimentaires en faveur des sans-abris relogés et pris en charge par la CUA. Cette action a été faite dans le but de soutenir les personnes les plus démunies face à la pandémie Coronavirus (COVID-19).
Habibo Group viendra toujours en aide aux personnes les plus nécessiteuses et répond présent suite à l’appel du Président de la République pour le soutien mutuel en cette situation d’état d’urgence que le pays traverse.
C’est par notre solidarité que nous pouvons vaincre le Coronavirus.