Vola mitentina 300 tapitrisa ariary no natolotry ny firenena japoney ho an’ny ivon-toerana fitsaboana sy fampianarana ambony Joseph Ravoahangy Andrianavalona (CHUJRA). Natolotra izany vola izany entina manatsara ny foto-drafitr’asa sy ireo fitaovana ampiasaina eny amin’ny hopitalim-panjakana.
Notanterahina teny amin’ny Ambasadin’i Japana teny Androhibe ny fifanaovan-tsonia teo amin’ ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny firenena Japoney ny alakamisy 5 martsa lasa teo.
Izao hetsika izao dia tafiditra ao anatin’ny ezaka izay hataon’ny minisiteran’ny fahasalamana amin’ny fanomezana fitsaboana mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka sy tsara kalitao.













