CENI : Mialoha ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy izay hatao amin’ny 8 janoary dia namory mpanao gazety ny Commission Électorale Nationale Indépendante (CENI). Fitondrana fanamarihana vitsivitsy mahakasika ny fizotran’ny fihodinana faharoa no anton’izany fanamoriana izany. Nilaza ny filohan’ny CENI, Yves Herinirina Rakotomanana fa niezaka ny ho tony hatrany izy ireo manoloana ny fanosoram-potaka ny CENI. Nanambara izy fa niezaka nisokatra hatrany ity farany amin’ny alalan’ny fanatontosana ny “confrontation de Procès Verbal”, ary niezaka nanaja ny lalam-panorenana hatrany. “Tsy mbola nisy tamin’ny tantaran’i Madagasikara fikarakarana fifidianana mangarahara tahaka ity” hoy Yves Herinirina Rakotomanana nanamafy.













