2424.mgArticles similaires
RAPETO SY TRIMOBE, KINTANA SY PLANETA MITONDRA ANARANA MALAGASY VOALOHANY – Ho fankalazana ny faha 100 taonan’ny IAU na International Astronomical Union, fikambanan’ny mpandinika ny vahan-danitra maneran-tany, dia nikarakara ny fifaninanana « NameExoWorld » izy ireo. Fifaninanana iray hanomezana anarana planeta sy kintana, Madagasikara amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ny IAU, dia nikarakara izany ihany koa, ka izay no nahafahana nanome ny anarana kintana sy planeta malagasy voalohany. Mitondra fanazavana mahakasika izany i Andoniaina Rajaonarivelo, avy ao amin’ny Haikintana-Astronomy.