RIVODOZA BELNA – ROA NO ISAN’NY MATY : Raha ny tatitra voaray izay, efa nohamarinina, dia fantatra fa olona roa hatreto no maty tao amin’ny distrika ny Soalala nandritry ny fandalovan’ny rivodoza Belna.
« Lasa ny andro ratsy fa tsy foana ny loza » hoy i Elack Olivier Andriakaja, sekretera mpanantanteraka ny Bureau National de gestion des risques et des catastrophes Madagascar (BNGRC).













