SAFER INTERNET DAY : 84 %-N’NY TANORA NO IHARAN’NY HERISETRA ANY ANATY ATERINETO
Miroborobo ny fampiasana ny aterineto eto Madagaskara ary miha-maro hatrany koa ny tanora manjifa ity teknolojian-tserasera ity. Araka ny nambaran’ny Youth First Madagascar dia iharan’ny herisetra avy amin’ireny tambazotra sosialy ireny ny 84%-n’ny tanora mampiasa aterineto eto amin’ny Nosy. Tsy mbola mahafehy ny fampiasana ity fitaovam-pifandraisana ity mantsy ireto farany ka zary sakana amin’y fivoarana izany.
Etsy ankilany anefa dia manamafy ny Youth First Madagascar fa maro ny tombotsoa azo avy amin’ny fampiasana ny aterineto raha toa ka hay sy voalanjalanja izany.
Nentin’ny Youth First Madagascar nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fampiasana ny aterineto voaaro na ny « Internet safer day » ny datin’ny 29 febroary. Natao tetsy amin’ny ivon-toeran’ny kolontsaina Antsahavola izao hetsika izao mba hampahafantarana ny tanora ny tokony hatao hifehezana ny tontolon’ny aterineto.













