Nanatanteraka fanambarana ny amin’ny fahitany ny fizotry ny raharaham-pirenena ny taona 2018 sy ny mety hitranga amin’ity taona 2019 ity ny SEFAFI na Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena nandritry ny famoriana mpanao gazety natao tetsy amin’ny Motel Anosy androany 22 febroary. Nandroso soso-kevitra izy ireo hoenti-manatsara ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ity taona 2019 ity.












