TOETR’ANDRO – Hivadika rivo-doza amin’ity faran’ny herinandro ity ilay andro ratsy niforona tao atsinanan’ i Madagasikara. Io no nambaran’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro eny Ampandrianomby. Tsy tokony hahakasika an’i Madagasikara anefa izany hoy hatrany izy ireo.














