Ny Rova, averina ihany, tsy trano sy lapa fotsiny, fa fasana indrindra koa. Misy razana nafenina ao, ary mbola misy taranaka velona ankehitriny.
Tsy azo tsotsorina fotsiny hoe «Mozea» io sisa fa tsy Rovan’ny Andriana intsony. Gallieni no nanafoana ny Fanjakan’Andriana ary nandefa an-tsesi-tany ny Mpanjaka Ranavalona III, ny alin’ny 28 febroary 1897, saingy fantany tsara fa tsy inona izay taratasy miohatra amin’ny Tantara an-jaton-taona maro tsy ho voafafa an-tsain’ny olona anaty indray mi-pimaso. Izany no nanafongarany ireo Razana rehetra tao amin’ny Fitomiandalan’Antananarivo (Andrianjaka sy Andriamasinavalona no fantatra indrindra), ny tany Ambohimanga (Andrianampoinimerina sy Ranavalona I no fantatra indrindra), ary ny tao Ilafy (Radama II), ka io nakisany nianavaratra io ny Fitomiandalana tamin’ny 14 marsa 1897.
Na nafindra aza anefa ny Razana, na nodorana aza ny Rova, misy vovok’Andriamasinavalona sy ny taranany ao Anatirovan’Antananarivo. Tamin’ny 31 oktobra 1938, rehefa nampodiana an-Tanindrazana ny taolambalon-dRanavalona III izay niamboho tany Alger ny taona 1917, dia nakarina ihany koa tao Anatirova. Ny gazety frantsay tamin’izany andro izany dia samy nanipika avokoa fa tomefy olona ny lagara Soarano sy ny lalana nolalovan’ny Razana hatrany Anatirova. Vahoaka tonga nanome haja farany ny Mpanjakany, na nisy Gallieni na tsy nisy Gallieni.
Rehefa may ny Rova, tamin’ny 6 novambra 1995, ny taranaka no nandray an-tanana ny fananganana ny Fasana. Tahaka ny maha-sarotiny ny fianakaviana malagasy rehetra amin’ny fasan-drazany.
Tokony dinihina tsara fa tsy tsotsorina fotsiny ihany koa izay hanaovana ny Lapan’i Manjakamiadana sy izay zavatra ho aranty amin’izay mozea kasaina ho ao. Misy vinavina hoe ho sokafana amin’ny faritra 22 : ahoana moa no tsy hahataitra amin’izany !
Rova eto Imerina io Rova io. Tao no niaina ireo Mpanjaka nanaraka ny sori-dalan’ny «Ranomasina no valam-paria». Iaraha-mahalala fa amin’ny faritra maro any Anindran-tany any dia misy toerana lazaina fa «fady Ambaniandro». Ny Ambaniandro tsy mila kisa amin’izany ka maninona ny Rovan’ny Ambaniandro no hanafangaroana vakoka tsy azy, tahaka izay efa safobemantsina ao amin’ny Rovan’Ilafy ? Ny any Antemoro ve hanaiky, ny any an-tSakalava ve hankato, raha terena haiditra amin’ny toerana saro-pady any ny zavatra avy aty Imerina ? Aleo ny isam-paritra hirehareha amin’ny vakoka azy, ka hanararaotana hananganana mozea isam-paritra, mba tsy hilazana indray fa mivangongo eto Antananarivo daholo ny zava-drehetra.