Niasa jamba rafozana ny fitondrana teo aloha. Maromaro ihany ny zava-bita tamin’ny andron-dRajaonarimampianina, saingy iza no mahatadidy izany, na nahalala akory aza, tamin’ny fotoan’androny ?
Ny fantson-drano any Androy, vava asa tamin’ny fitondrana teo aloha, fa ho tokanana zava-bitan’ny fitondrana ankehitriny. Nitavozavoza loatra mantsy. Nampiteny ny moana tamin’ny tsy fanapahan-kevitra sy fihambahambana. Sarotra ny hanome tsiny an-dRajoelina raha hainy loatra ny serasera izay nanomezana fondro an-dRajaonarimampianina.
Fantson-drano any Androy, hitsin-dalana Andranobevava-Nanisana-Ambohibe-Ambohimangakely, lalamben’ny Francophonie, fiantsonana vaovao eny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato, etsetra, etsetra. Sanatrian’ny vava ka valalan’amboa satria na ny «tompony» aza nanadino nitanisa azy. Tsy dia ny hatsiaka no itafian-damba, fa ny henatra ny olona, kanefa, indrindra amin’ny politika, tsy ny hafa no hisahirana hanafy izay manao fanahy iniana hihanjaka. Ny tena nahagaga tamin’ireny serasera nandeha ila ireny dia ny fisian’i Tsilavina Ralaindimby tao an-dapa : sangany tamin’ny serasera Itompokolahy saingy nosembanan’ny «boay kely» samy dedaka naka ranondranony tamin’ny «tompony». Nifandrovi-tsihy samy nanao izay saim-pantany, ny sasany nianavaratra, ny hafa nianatsimo.
Ireny, Andry Rajoelina tonga tany Egypta mihitsy nijery baolina. Niara-nitotorebika tamin’ny mpilalao avy eo. Serasera. Vazivazin’ny «pelouse» ny hoe raha Rajaonarimampianina, niahotrahotra teo, dia efa vita ihany ny baolina vao tapa-kevitra hihazakazaka eny Ivato… Lesona : izay atao, kalio tsara, ary ampahalalao ho zava-bita fanta-bahoaka. Raha tsy izany miasa jamba rafozana.