VANF ANTRANONKALA – Mpamaky 2.0
Ny taona 1866 no teraka ny gazety malagasy voalohany, «Teny Soa hanalana andro» no anarany. Zanaka am-pielezan’izany Gazety ntaolo izany na ny telo taona nolalovako tao amin’ny Jureco, na ny efa ho 25 taona «Mamalan-kira» ao amin’ny L’Express de Madagascar».
Mbola tsy foiko ny Gazety an-tsoratra nahabotrabotra. Hafa ihany ilay afaka manety lahatsoratra na sary ka atao tahiry sarobidy, fohazina isaky ny mahatsiahy. Toy izany mihitsy ohatra io tapa-gazety tao amin’ny Times, gazety any Londres (Angletera), tsara mpirina hatramin’ny 7 febroary 1998.
Atao ahoana anefa, fa mivalona ny taona, miova ny fomba amam-panao. Niantefa manokana tamin’ny tanora ny matoan-dahatsoratra voalohany indrindra teto amin’ny 24/24.mg, tamin’ny 14 aogositra 2018. Ny tanoran’ny taona 2019 tsy misahirana mitondra an-tanana gazety tahaka izay mety ho nataoko fony mbola tanora, tany amin’ny taona 1990s.
Mila manaraka ihany ny fiovan’ny toetr’andro. Io Facebook io, ohatra, dia efa roambinifolo taona taty aorian’ny nananganan’i Mark Zuckerberg azy (4 febroary 2004) aho vao niditra tao na dia efa nampiasa ny World Wide Web noforonon’i Tim Berners-Lee (12 martsa 1989) mba hatramin’ny 1996 aza.
Mbola «manan-ko-tantaraina» anefa : ny Tantara isan-Toko sy isam-Poko, ny Trano Gasy, ny Kolontsaina, ny Fanabeazana, ny Fiarahana monina tsy fe fiaraha-monina fotsiny. Izay manina no manatona ka dia izao tonga mandondom-baravarana amin’ny mpamaky 2.0 izao. Mahazo misidina ny teny amam-bolana, fa ny soratra hitoetra na an-gazety na an-tranonkala.
VANF ONLINE – Mode d’emploi
Né «dans» la presse écrite (pas «avec» puisque le premier journal malgache «Teny soa hanalana andro» date de 1866), je garde une «loyauté» au support papier celui qui, même en 2019, autorise les «coupures de presse» qu’on garde précieusement et qu’on sait pouvoir retrouver précisément des années après. Par expérience, je sais que si les numéros passent, les coupures restent à l’instar de celle que je mets en illustration, découpée dans le Times de Londres, du 7 février 1998.
Cependant, les temps changent, les moeurs évoluent. «Les jeunes sont le présent» écrivait 24/24.mg dans son tout premier éditorial du 14 août 2018. Les jeunes de 2019 ne lisent pas comme le faisait le jeune que j’étais dans les années 1990s.
Par exemple, longtemps réfractaire à Facebook (si Mark Zuckerberg, qui a fondé Facebook le 4 février 2004, est une star planétaire, Tim Berners-Lee reste un «génie méconnu», lui qui avait trente ans quand il inventa www, le 12 mars 1989), je me suis finalement converti parce que voilà semble-t-il la version 2.0 de l’écrit qui reste.
Trois ans dans la presse mensuelle (Jureco), bientôt vingt-cinq ans dans la presse quotidienne (L’Express de Madagascar), il était inéluctablement naturel d’élargir à la presse online. Mais, ici comme ailleurs, une constante : partager l’histoire, plaider pour la Culture majuscule, prêcher l’éducation. Éditorialiser sur les fondamentaux du «vivre ensemble», auprès de ceux qui ne viennent plus à la presse écrite, avec la conviction que, si la parole s’envole, ces écrits-là également restent.