Alakamisy 15 oktobra 1896, 8 ora maraina : notifirina tetsy Antaninarenina ny printsy Ratsimamanga, andriana, sy Rainandriamampandry 16 Voninahitra, hova. Iray volana mialoha io, ny 16 septambra, ny Jeneraly Gallieni no nandray ny fahefana feno maha Governora Jeneraly azy. Taitra avokoa, na Gasy na Vazaha, noho ny fihetsika mahery tsy mahazatra nasehony avy hatrany hamonoana ny afon’ny Menalamba. Ny 1 marsa 1897 dia nalefany sesitany Ranavalona III, ny 17 aprily dia nofoanany ny fiandrianan’ny Tompomenakely. Ny 14 marsa talohan’io dia nofongariny tany Ambohimanga ny razan’Andrianampoinimerina sy Ranavalona I, mba tsy ahafahan’ny Menalamba intsony maka tany eo amin’ny fasan’Andriana hisotroany vokaka. Na izany na tsy izany anefa dia niahiahy hatrany Gallieni fa mikomy miaraka amin’ny Britanika ny Merina.
Tsy heno firy teto amintsika ny nandavon’ny Ethiopiana ny tafika italiana tao Adoua (marsa 1896). Ny ahiahin’i Gallieni dia sanatria hisy Fachoda hafa eto Madagasikara : ny 21 marsa 1899 mantsy, dia voatery nilavo lefona nanoloana ny Britanika ny miaramila frantsay tany Soudan ka natahotra mafy Gallieni sao hanafika eto ny Britanika haka ny toeran’ny Frantsay. Fito amby telopolo taona aty aoriana, ny volana mey 1942, vao nanafika tokoa ny Britanika ka nampilavo lefona ny miaramila frantsay teto : tao anatin’ny Ady Lehibe Faharoa izany.
Miaramila dimy arivo sy iray alina no teo ampelatanan’i Gallieni, ka ny enina arivo tamin’ireo dia natokana hiaro an’i Diégo Suarez fotsiny. Tsapany tsara ny fahasarotan’ny raharaha : «Lehibe loatra, hoy izy, ity Nosy ity sy ny morontsiraka dimy arivo kilometatra ho arovan’ny «division» an-dranomasina tsizarizary (…) tsy mora ny miambina an’i Madagasikara miaraka amin’ny miaramila eoropeana roa arivo ary miaramila «indigènes» valo arivo tsy dia atokisana loatra» (Général Jean Charbonneau, «Gallieni à Madagascar», Nouvelles éditions latines, 1950, p.113).
Nandritra ny adin’ny Rosiana sy ny Japoney, 1904-1905, dia nandalo tao Nosy-Be ny tafika an-dranomasina rosiana : niala tany amin’ny ranomasina Baltika ireo ndeha hihazo ny ranomasina Pasifika. Nisy rivo-doza nanimba ny fifandraisana teto Madagasikara tamin’izany volana oktobra 1904 izany ka tsy afaka nifandray tamin’ireo sambo rosiana ireo Gallieni. Etsy andaniny, velon’ahiahy izy sao misy Japoney mambosimbosy ny Merina izay tsapany fa mirona kokoa amin’ny «Mavo» miady amin’ny «Fotsy».
Nandamoaka anefa ny «Ère Meiji» gasy, ary ny miaramila gasy tsy manana ny herim-pon’ny Samoraï japoney izay nanamontsana ny Rosiana. Teto, zara fa nisy maty an’ady ny tafika frantsay nanafika antsika tamin’ny 1895 : nidi-potsiny tao Mahajanga (14 janoary), nidi-potsiny tao Maevatanàna (8 jiona), sarin’ady tao Andriba (21 aogositra), nanangana saina fotsy faingana isika vao ravan’ny baomba notifirana avy eny Andrainarivo ny lapa Tsarahafatra tao Anatirova (30 septambra). Lainga marivo tototra ilay hoe «Tsy misy mafy toy ny tao Andriba» fa nanao tari-dositra ny miaramila merina tao na dia nanana fitaovam-piadiana ari-fomba aza (vakio Manassé Esoavelomandroso, «Le mythe d’Andriba», Omaly sy Anio, n°1-2, 1975, pp.43-73).
Ny «Jeneraly Tazo» sy ny moka an’alina no nampandamaka bebe kokoa ny miaramila frantsay. Sampona tokoa fa nahafatesana an’ady betsaka kokoa ny miaramila frantsay nifanandrina tamin’ny Menalamba noho ny nanenjika ny miaramilan’ny Jeneraly Rainianjalahy. Raha niady tamin’ny Menalamba, oktobra 1896 ka hatramin’ny jiona 1897 : manamboninahitra roa ary miaramila enimpolo maty an’ady, ka efatra amby roapolo Eoropeana, enina amby telopolo Senegaly sy Gasy ; manamboninahitra dimy sy miaramila iraika amby sivifolo amby zato naratra, ka sivy amby fitopolo Eoropeana, roambinifolo amby zato Senegaly na Gasy ; manamboninahitra fito ary miaramila fito amby telonjato matin’aretina, ka enina amby roapolo amby zato Eoropeana, iraika amby valopolo amby zato Senegaly na Gasy («Neuf ans à Madagascar», Hachette, 1908, p.46, note 1).
Isan’ny nantsoin’ny Frantsay hoe «Fahavalo» tamin’izany Rabezavana. Nilavo lefona ihany koa anefa izy tamin’ny 2 jiona 1897 ka izao no fitantaran’i Lyautey, tao Ankazobe : nitaingin-tsoavaly Rabezavana, nialohavan’ny miaramila dimanjato ; natsipin’ireo tamin’ny tany ny basy an-tanany vao nandohalika nanoa izy rehetra. «Basy maro vava» mety tena ho nanahirana anefa ireo, hoy Lyautey…


















