Ivato, Laniera, Tsarasaotra, Alarobia, Ankorondrano, Antanimena, Analakely, Ambohidahy, Mahamasina. Tongasoa an-Tanindrazana ry zalahy a !
Maromaro aminareo no tsy Gasy Ray sady Gasy Reny saingy nisafidy ho Gasy ianareo na noho ny Ray misy razana Gasy na noho ny Reny misy razana Gasy. Tongasoa an-Tanindrazana rehefa nahavita be ho an’ny voninahi-pirenena, nampiakatra avo ny reharehan’ny vahoaka manontolo ary nampiray fo olona an-tapitrisa samy hafa.
Dingana manaraka sahady isika izao, dia ny fanadiovana ifotony ny FMF (Fédération malgache de football) mba tsy ho fahagagana sy kisendrasendra ary tsy ampoizina lava izao no iainan’ny kitra malagasy. Dingana manaraka hifantenana sahady izay handimby anareo, satria izany no lalam-piainana ka tsy misy maharitra mandrakizay. Dingana manaraka hanomanana ny hilaharan’i Madagasikara any amin’ny Amboara Eran-Tany.
Andriatsima Faneva, Nicolas Dupuis, Dimitri Caloin : samy efa nanakiana mazava ny fomba fiasa kitoatoa am-polon-taona maro ao amin’ny FMF, izay nentina nitantantana hatramin’izay ny kitra malagasy. To-teny ianareo ankehitriny, noho ny fahagagana vitanareo na dia tsizarizary aza ny fitaovana na dia tsy tomombana aza ny fikarakarana, ka vakio bantsilana etsy Mahamasina, imason’ny olona marobe hitsena anareo ary mba ho henon’ny Malagasy rehetra amin’ny lafivalon’ny Nosy.
Farany, fanontaniana tsetsatsetra tsy aritra : raha ianao, kapiteny Andriatsima Faneva Ima, iza no heverinao mendrika hitantana ny FMF ?