– ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO – Sakafo vokarin’ny orinasa Nutrifood mitentina 40 tapitrisa ariary no hatolotry ny Banky Société Générale entina hanampiana ireo mponina tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon’i Madagascar
– FAHASALAMANA – Tsy an-tery intsony ny fanaovana aro-vava an-kalamanjana, tsy maintsy hajaina kosa ny fepetra sakana amin’ny toerana mihidy misy olona 200 na mihoatra sy anaty fitateram-bahoaka
– BAOLINA KITRA – Lavon’i Black Stars an’i Ghana tamin’ny isa 3 no ho 0 ny Barean’i Madagasikara tamin’ny andro voalohan’ny lalao hifanintsanana ho amin’ny tompon-dakan’i Afrika 2022
