– FIARAHAMONINA – Milaza ny hanome valisoa ho an’ireo manome vaovao marim-pototra momba ny tranga fakana an-keriny tovovavy eto Analamanga ny mpitandro ny filaminana
– BAOLINA KITRA – Eny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus no hotanterahina ny alakamisy 9 Jona izao ny lalao ara-pirahalahiana voalohany hifanandrinan’ny Barea U23 amin’ny Club M Maurice U23, eny Mahamasina kosa no atao ny lalao faharoa amin’ny alahady 11 Jona
– FETY – Olona iray no maty, sivy no naratra ary 31 no voasambotra teto Antananarivo Renivohitra nandritra ny fankalazana ny Pentekôty
