– LOZA VOAJANAHARY : Tafakatra ho 29 ireo maty, maherin’ny 91.000 ny traboina taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai teto Madagasikara
– HERINARATRA : Anatin’ny dingana andrana sy fanaraha-maso ny vondrom-pihary herinaratra faharoa ao Andekalela ny Jirama ary 24 mégawatts hatreto ny vokatra azo
– FAMPIANARANA : Hotsinjaraina amin’ireo sekoly afaka misokatra aloha ny mpianatra eny amin’ireo trano fianarana simba na ravan’ny rivo-doza Batsirai, mandra-pahita vahaolana.
