– FANOMPOAM-PIRENENA – Tsy mbola nisy ny fanasaziana ireo zatovo tsy nahavita ny fitsarana miaramila saingy nampahatsiahy ny tsy maintsy hanaovan’ny olom-pirenena io dingana io ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena
– FANANAN-TANY – Resaka ady tany ny 80 isan-jaton’ny olana eny amin’ny Tribonaly, mikarakara fikaonan-doha momba ny fanamorana ny fananan-tany ny Fitondram-panjakana
– SOSIALY – Nizara fanampiana ara-tsakafo sy fitaovana fidiovana ho an’ny EPP Ambohibao sy ny Akany fitaizana zaza kamboty Felana Maitso Ambohibao ny Vondrona Inviso.
