– LOZA VOAJANAHARY : Tafiakatra 92 ny isan’ny maty taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai ka tany amin’ny distrikan’Ikongo ny 71 amin’ireo, araka ny tatitra avy amin’ny BNGRC.
– FANARENANA : Tsy maintsy mandeha any amin’ireo faritra niharam-boina hanatanteraka ny asa fanamboarana ireo fotodrafitrasa ny minisitra rehetra manomboka ny zoma izao, hoy ny Filoham-pirenena
– FIFAMOIVOIZANA : Miverina amin’ny laoniny ny fitaterana ho an’ireo zotra rezionaly sy nasionaly miampiasa ny lalam-pirenena faha-7 miala eto Antananarivo mankany any Toliara.
