VAOVAO – MINUTE FLASH 16 MARTSA 2022

– FITAKIANA VATSIM-PIANARANA – Mpianatra roa avy ao amin’ny Sekoly ambony pôlitekinika Vontovorona no voasambotra nandritra ny fihetsiketsehana nataon’izy ireo androany alarobia
– FITSARANA – Nahiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora noho ny fanodikodinam-bolam-panjakana sy ny fanararaotam-pahefana ny Tale jeneralin’ny CNaPS, ny filohan’ny filan-kevim-pitantanana ary olona telo hafa.
– FANATSARANA NY TANANA – Notokanana androany ny zaridaina iray etsy Tsaralalana ary nampitondraina ny anaran’i Mahatma Gandhi.