VAOVAO – MINUTE FLASH 17 FEBROARY 2022

– TOETRANDRO – Nahazo anarana « Emnati » ilay andro ratsy nivadika ho rivo-doza tao amin’ny ranomasim-be Indiana ary tany amin’ny 1.760 Km atsinanan’i Sambava ny foibeny tamin’ny 9 ora maraina.
– FOTODRAFITRASA- Hohavaozina ny lalana mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo aorian’ny vanim-potoanan’ny orana.
– TAORIAN’NY ANDRO RATSY – Nafindra anaty trano lay lehibe ireo traboina noraisina teny anivon’ny sekoly tao Mananjary.