– FITATERAM-BAHOAKA – Naverina ho tsidimidimy ny toerana any anaty fiara fitateram-bahoaka ahafahana mampitombo ny isan’ny olona zakan’izy ireny amin’ny vanim-potoana ny fanadinana, hoy ny avy amin’ny prefekitiora
– FANADINAM-PANJAKANA – Hanomboka ny zoma 24 jona izao ny fitsarana ny taratasim-panadinana CEPE ary folo andro aorian’izay no hivoaka ny valiny
– FOTODRAFITRASA – Miantso ny fitondram-panjakana hiantoka ny fikojakojana lalana ireo mpamatsy vola ny tetikasa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-12A sy ny faha-13.
