VAOVAO – MINUTE FLASH 22 APRILY 2022

– HARENA ANKIBON-TANY – Miantso finiavana politika avy amin’ireo tompon’andraikitra ambony ny sendikan’ireo mpiasa amin’ny loharanon-karena stratejika mba hanafoanana ny fanondranana antsokosoko ny harena ankibon-tany
– FIFAMOIVOIZANA – Mampahatsiahy ny tokony hakan’ireo mpitatitra an-tsekoly fahazoan-dalana hiasana izay ny Kaominin’Antananarivo
– TOETRANDRO – Tsy hanakorontana ny toetry ny andro eto Madagasikara ny fisian’ilay tangoron-drahona niha-nahazo hery tany avaratry ny nosy