– TRANO FONENANA – Manodidina ny 175.000 ariary hatramin’ny 200.000 ariary isam-bolana no aloa mandritra ny 15 hatramin’ny 20 taona ho an’ireo te hividy trano mora eny amin’ny tanàna vaovao TanaMasoandro Imerintsiatosika
– FITATERANA – Hiakatra ho 1.000 ariary ny saran-dalana ho an’ny taxi-be raha vantany vao miakatra ny vidin’ny solika, milaza ny hanatsara ny tolotra sy ny asany izy ireo manoloana izany.
– POLITIKA – Natambatra tao anaty fivoriana tokana maharitra roa andro ny fanaovan’ny Governemanta tatitra ny asa vitany sy ny fihaonany amin’ny Antenimierampirenena hamaliany ny fanontanian’ny solombavambahoaka
