VAOVAO – MINUTE FLASH 30 NOVAMBRA 2022

– TAN-TSOROKA : Hisitraka fampianarana teny frantsay maimaim-poana ny mpianatry ny kilasy Taona faha-5 amin’ny EPP miisa 29 eto Antananarivo Renivohitra
– INDOSTRIA : Nahazo ny mari-pakasitrahana « Malagasy Ny Antsika” avy amin’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara ny orinasa Ambatovy.
– LISI-PIFIDIANANA : Mety hajanona ny fanoratana anaran’ny mpifidy kasaina ho atao any an-toeram-piasana ho an’ny orinasa tsy miankina.
– FANDRIAMPAHALEMANA : Lehiben’ny kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka sy ny Hery vonjitaitra 16 no nahavita fiofanana.