Vao maraina androany Alarobia 13 Mey dia nirotsaka teny amin’ny tsenan’Andravoahangy ny mpitandro ny filaminana sy ireo polisy kaominaly nadrara ireo mpivarotra isan-kerinandro teo an-toerana. Raha tsiahivina dia namoaka fepetra vaovao ny teo anivon’ny Foibe fibaikona ny ady amin’ny valan’aretina coronavirus (CCO Covid 19) fa foana anatin’ny fotoana tsy voafetra aloha ny tsena izay miteraka fivorivorian’olona ho hiarovana ny fiparitahan’ny coronavirus. Velon-taraina ireo mpivarotra.













