Famoahana ofisialy ny voka-pifidianana solombavambahoaka natao teny Ambohidahy ny 02 jolay. Manoloana ireo fitarainana 664 voaray nandritra ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 mey, dia nanambara ny mpiandraikitra ara-tekinan’ny Ivontoerana Safidy, Stella Razanamahefa, ny tokony amoahan’ny Fitsarana avo momban’ny lalàm-panorenana (HCC) ireo ny mangarahara mahakasika ireo fitoriana ireo. Voalazan’ny Filohan’ny HCC kosa fa mbola mandeha ila ny lalàna mikasika ny fifidianana ka izay no mahasarotra ny fanasaziana ireo tsy kandidà tsy manara-dalàna.













