ZON’NY OLOM-PIRENENA NY MAHAFANTATRA NY RAHARAHAM-PIRENENA

ZO MAHAFANTATRA : Zon’ny olom-pirenena ny mahafantatra ny raharaham-pirenena

Mbola sarotra hoan’ny vahoaka malagasy ny miditra biraom-panjakana, noho ireo olana maro izay sedrainy toy ny fiavonavonana sy ny kolikoly. Mba hisorohana izany, dia nikarakara varavarana misokatra ny fanjakana, izay tanterahina ny 27 ka hatramin’ny 28 septambra ao Anosy. Ny tanjona dia ny fanamafisana ny fampahafantarana ny daholobe ny asam-panjakana.