Antananarivo, 19 Jona, 10h55 – Nahatsapa ny tsy dia fahombiazan’ireo orinasa notantanan’ny Fanjakana malagasy 100% ny Filohan’ny Repoblika ka miantso ireo mpandraharaha malagasy sy vahiny hifanome tanana amin’ny fitantanana ny Pharmalagasy. Pharmalagasy no anarana omena ilay orinasa mpamokatra fanafody heverin’ny Filohan’ny Repoblika atsangana tsy ho ela eto Madagasikara ary hamokatra fanafody vita eto Madagasikara. Eo amin’ny toerana nisy ny Ofafa taloha no hanorenana io ozinina vaovao io.